15 – Mamo
Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Mamo.
Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Mamo.
Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
”Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
”Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.
”Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka. Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy. Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
”Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo, ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
”dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
”dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
”Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony. Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.
”Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
”Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
”Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.
”Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
”Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
”Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
”Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
”An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra; Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy. Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray? Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
”Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy; Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
”Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
”Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay! Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
”Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany!
”Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
”Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka; Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona; Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany. Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
”Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
”Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
”Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
”Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
”Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
”Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
”Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra? Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema. Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
”Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.
”Fa izao no nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao. Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
”Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
”Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo. Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
”Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
”Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao. Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao. Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
”Ny divay dia tsy hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.
”Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
”Dia najanon'ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
”fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
”Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
”Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.
”Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
”Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy.
”Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
”Dia ireo izay misotro divay amin'ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban'i Josefa.
”Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin'ity firenena ity.
”Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton'ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.
”Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany; Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao.
”Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.
”Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
”Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
”Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
”Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.
”Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
”Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany, dia niantso ny mpampakatra izy ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
”Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo. Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
”Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
”Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
”Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.
”Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.
”Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
”Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
”Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
”Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty. Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
”Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
”Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
”Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
”Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
”Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
”Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
”Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
”Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto, fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
”ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
”Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
”mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
”Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".
”Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
”Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
”Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
”Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
”dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
”Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
”