05 – Paradisa
Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Paradisa.
Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Paradisa.
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy,
”Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
”Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
”Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
”Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
”Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
”Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
”Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.
”Tsinjovy ao amin'ny fonenanao masina any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin'ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
”Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
”Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
”Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
”Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
”Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
”Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
”Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
”Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
”Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.
”Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina.
”Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
”Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
”Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
”Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.
”Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
”Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
”Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.
”Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
”Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.
”Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
”Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
”Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao. Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
”Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
”Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
”Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
”Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
”Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona. Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny. Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
”Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
”Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
”Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
”Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
”Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
”Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
”Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
”eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.
”Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
”Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
”Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
”Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
”Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
”Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.
”Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
”Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
”Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
”Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
”Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
”Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
”Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany; fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.
”Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
”Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
”Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
”Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
”Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.
”Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
”Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
”ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
”Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.
”Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
”Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.
”Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy. Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy? Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.
”Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
”Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo. Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
”Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy. Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
”Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
”Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.
”Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
”Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.
”Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
”Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
”Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
”Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
”Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
”Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao. Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.
”Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba?
”Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo. Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona. Mifalia ianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.
”Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra.
”Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
”Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy? Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
”Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany. Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba. Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
”Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
”Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay. ary ianao kosa no fadiranovana. Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
”Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
”Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao. Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy. Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena? Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
”Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra, izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
”Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
”Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
”Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
”Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra. Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
”Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
”fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
”Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.
”Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana.
”Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.
”Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
”Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
”Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
”Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
”Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
”Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.
”ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.
”Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
”Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.
”Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
”Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao. araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
”Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
”Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
”Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.
”nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
”dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.
”ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
”mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
”Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
”Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena.
”Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy,
”Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana; afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery; afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa. Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina; Adama farany natao fanahy mahavelona. Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy. Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa.
”Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona. Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?. Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
”Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
”Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin'ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
”eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny Tompo.
”Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona.
”Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
”Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
”Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
”Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko; fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
”Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
”sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
”Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
”mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.
”ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny,
”Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
”Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
”Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
”Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
”mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
”fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
”Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
”amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
”mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
”Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
”Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
”ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
”Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny. Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
”Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.
”Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina, amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,
”Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
”ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
”Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
”Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
”Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.
”Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana , -
”Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
”Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
”Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
”Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
”Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
”ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
”Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra.
”Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
”Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
”Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay. Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana. Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.
”Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo. Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony. Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina. Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
”Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy. Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
”Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo,
”Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry. Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
”Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
”Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
”Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
”Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra.
”Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
”Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
”Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. Ary tonga ny anankiray tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry.
”Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra, sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly; ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'isiraely; eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.
”Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany. Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo ametysta. Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
”Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny. Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy. Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny. Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro. Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
”Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
”Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.
”Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
”