Andininy tsirairay amin'ny filaharan'ny kanonika - andininy 176
Genesisy 2:24
“
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
”
Genesisy 18:20-32
“
Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah. Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina? Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao? Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny. Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
”
Genesisy 19:1-11
“
Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany. Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina. Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy. Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna; dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy. Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony; ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy. Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy. Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana. Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana. Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
”
Genesisy 19:12-17
“
Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota: Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity; fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy. Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna. Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna. Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
”
Genesisy 19:24
“
Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
”
Genesisy 19:26
“
Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
”
Genesisy 20:3
“
Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
”
Genesisy 34:2
“
Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
”
Genesisy 34:7
“
Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
”
Genesisy 34:26-27
“
Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha. Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
”
Genesisy 34:31
“
Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
”
Genesisy 38:15-26
“
Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy. Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho; dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao? Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy? Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy. Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray. Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy. Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo. Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy. Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana. Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto. Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
”
Genesisy 39:7-12
“
Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
”
Genesisy 39:13-20
“
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
”
Eksodosy 20:17
“
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
”
Eksodosy 22:19
“
Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
”
Levitikosy 18:6-18
“
Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah. Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy. Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy. Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa. Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy. Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy. Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy. Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy. Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy. Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany. Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
”
Levitikosy 18:19-23
“
Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy. Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy. Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
”
Levitikosy 19:29
“
Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
”
Levitikosy 20:10-16
“
Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. Ary ny olona izay mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany. Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany. Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany. Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa. Ary raha misy vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
”
Levitikosy 20:17-21
“
Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka. Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa. Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka. Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba. Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
”
Levitikosy 21:7-9
“
Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona. Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo. Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.
”
Levitikosy 21:14
“
Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
”
Nomery 5:12-13
“
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy, fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
”
Nomery 5:29
“
Izany no lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
”
Nomery 25:6
“
Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
”
Deotoronomia 5:18
“
Ary aza mijangajanga.
”
Deotoronomia 5:21
“
Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
”
Deotoronomia 22:5
“
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
”
Deotoronomia 22:20-21
“
Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina, dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
”
Deotoronomia 22:22
“
Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
”
Deotoronomia 22:23-24
“
Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy, dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
”
Deotoronomia 22:25-27
“
Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty. Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany. Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin'olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
”
Deotoronomia 22:28-29
“
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin'olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany. dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
”
Deotoronomia 22:30
“
Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy.
”
Deotoronomia 23:2
“
Ny zazasary tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
”
Deotoronomia 23:17-18
“
Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
”
Deotoronomia 27:20
“
Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
”
Deotoronomia 27:21
“
Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
”
Deotoronomia 27:22
“
Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
”
Deotoronomia 27:23
“
Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
”
Mpitsara 16:1
“
Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
”
Mpitsara 19:1-2
“
Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda. Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
”
Mpitsara 19:22-30
“
Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy. Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo. Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany. Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy. Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro. Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana. Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany. Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao. Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
”
Mpitsara 20:10-11
“
Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
”
1 Samoela 2:22
“
Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
”
2 Samoela 11:2-5
“
Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery. Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita? Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony. Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
”
2 Samoela 12:9-12
“
koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy. Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao. Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao. Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
”
2 Samoela 13:11-14
“
Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko. Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao. Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
”
1 Mpanjaka 11:1-6
“
Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita, dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona. Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo. Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy. Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita. Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy.
”
1 Mpanjaka 14:24
“
Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
”
1 Mpanjaka 15:12
“
Fa nesoriny tamin'ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
”
1 Mpanjaka 22:46
“
Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
”
2 Mpanjaka 23:7
“
Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
”
Joba 31:1
“
Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
”
Ohabolana 2:16-17
“
Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny, Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.
”
Ohabolana 5:3-4
“
Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
”
Ohabolana 5:20
“
Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga?
”
Ohabolana 6:24-29
“
Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy. Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa. Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony? Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony? Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
”
Ohabolana 6:32
“
Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
”
Ohabolana 7:5-10
“
Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo. Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako, Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina, Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony, Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina. Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
”
Ohabolana 7:21-27
“
Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy, Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana, Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany. Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako. Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany. Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana. Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.
”
Ohabolana 11:6
“
Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
”
Ohabolana 22:14
“
Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.
”
Ohabolana 23:27-28
“
Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
”
Ohabolana 29:3
“
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
”
Ohabolana 30:20
“
Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
”
Mpitoriteny 7:26
“
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
”
Isaia 1:21
“
Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
”
Isaia 57:3
“
Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
”
Jeremia 3:1-3
“
Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah. Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany, Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
”
Jeremia 3:6-8
“
Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny. Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany. Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
”
Jeremia 3:20
“
Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin'ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.
”
Jeremia 5:7-8
“
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga. Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.
”
Jeremia 7:9
“
Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
”
Jeremia 13:27
“
Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?
”
Jeremia 23:14
“
Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
”
Jeremia 29:23
“
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
”
Fitomaniana 5:11
“
Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
”
Ezekiela 16:15-17
“
kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory. Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
”
Ezekiela 16:20-22
“
Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany? Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo. Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rànao.
”
Ezekiela 16:25-29
“
Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao. Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy. Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao. Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany. Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
”
Ezekiela 16:30-34
“
Akory ny fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon'ny janga tsivalahara! Tamin'ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy. Ny vadin'olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon'ny vadiny! Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao. Ary hafa noho ny amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
”
Ezekiela 16:35-38
“
Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah. ry kala janga: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo. dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin'ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy; ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
”
Ezekiela 16:41-43
“
Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony. Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony. Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
”
Ezekiela 22:9-11
“
Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana. Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana. Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
”
Ezekiela 23:1-21
“
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po; ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany. Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba. Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy, izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly. Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena. Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy. Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay nahamaimay azy. Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana. Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny, Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra. Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy; ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena. samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea. Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea. Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny. Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany. Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta. Fa izy dia maimay tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly. Nitady ny fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.
”
Ezekiela 23:27-30
“
Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao; ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao. Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny sampiny.
”
Ezekiela 23:35-39
“
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao. Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany, fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona. Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa. Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
”
Ezekiela 23:40-45
“
Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao. ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko. Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany. Dia hoy Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy hijangajanga amin'io ihany va? Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga. Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
”
Ezekiela 23:48-49
“
Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
”
Hosea 1:2
“
Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
”
Hosea 2:2-5
“
Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany; Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy. Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny. Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
”
Hosea 4:2
“
Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
”
Hosea 4:12-14
“
Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny. Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo. Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
”
Hosea 5:3-4
“
Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely. Tsy avelan'ny ataony hiverina amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
”
Hosea 9:1
“
Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
”
Joela 3:3
“
Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
”
Nahoma 3:4
“
Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.
”
Malakia 2:14-16
“
Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo. Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?
”
Malakia 3:5
“
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
”
Evanjelin’i Matio 5:27-28
“
Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
”
Evanjelin’i Matio 5:32
“
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
”
Evanjelin’i Matio 15:19
“
Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
”
Evanjelin’i Matio 19:9
“
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
”
Evanjelin’i Matio 26:41
“
Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
”
Evanjelin’i Marka 7:21-23
“
Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
”
Evanjelin’i Marka 10:11-12
“
Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny. Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
”
Evanjelin’i Marka 10:19
“
Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
”
Evanjelin’i Lioka 16:18
“
Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
”
Evanjelin’i Lioka 18:20
“
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.
”
Asan’ny Apostoly 15:20
“
fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
”
Asan’ny Apostoly 15:29
“
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
”
Asan’ny Apostoly 21:25
“
Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 1:24-27
“
Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 1:28-29
“
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 1:32
“
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 6:12-13
“
Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 6:19
“
Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 7:3-5
“
Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra. Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 7:23
“
nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 8:1-8
“
Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 8:12-13
“
Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 12:1
“
Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 13:9
“
Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona, mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 13:13-14
“
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 5:1
“
Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 5:9-13
“
Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo. Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy. Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 6:9-11
“
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 6:13
“
Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 6:15-18
“
Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany! Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa. Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 7:1-5
“
Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory. Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy. Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 7:9
“
Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 7:36
“
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 10:8
“
Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 10:12-13
“
Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana 5:10
“
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana 7:1
“
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana 12:21
“
eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Galatiana 5:16-21
“
Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Galatiana 5:24
“
Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Galatiana 6:7-8
“
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Efeziana 2:3
“
teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Efeziana 4:19
“
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Efeziana 5:3-5
“
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra. Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Kolosiana 3:5
“
Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 4:3-5
“
Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 4:7-8
“
Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote 1:9-10
“
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote 2:22
“
Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote 3:2-6
“
Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro. Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
”
Epistolan’i Paoly ho an’i Tito 2:12
“
mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 12:16
“
fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 13:4
“
Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
”
Epistola Jakoba 1:12-15
“
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy. Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
”
Epistola Jakoba 4:3-4
“
Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo. Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
”
Epistola voalohan’i Piera 1:14
“
tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
”
Epistola voalohan’i Piera 2:11
“
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
”
Epistola voalohan’i Piera 4:1-3
“
Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota; mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
”
Epistola faharoan’i Piera 2:4-10
“
Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,- ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,- fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka : dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,- indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
”
Epistola faharoan’i Piera 2:14
“
manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
”
Epistola faharoan’i Piera 2:18
“
Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony;
”
Epistola faharoan’i Piera 3:3
“
efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
”
Epistola voalohan’i Joany 2:16-17
“
Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
”
Epistola Joda 1:4
“
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
”
Epistola Joda 1:6-8
“
Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
”
Apokalipsa 2:14
“
Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
”
Apokalipsa 2:20-22
“
Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
”
Apokalipsa 9:21
“
ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
”
Apokalipsa 14:8
“
Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
”
Apokalipsa 17:1-2
“
Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro, dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
”
Apokalipsa 18:3
“
Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
”
Apokalipsa 18:9
“
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
”
Apokalipsa 19:2
“
Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
”
Apokalipsa 21:8
“
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
”