Andininy tsirairay amin'ny filaharan'ny kanonika - andininy 216
Genesisy 3:15
“
Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
”
Joba 19:25-27
“
Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra; Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
”
Isaia 2:2-4
“
Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
”
Isaia 2:10-21
“
Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany. Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany. Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny, Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra; Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany. Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa. Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
”
Isaia 4:4-5
“
Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany. Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloeloKa hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
”
Isaia 9:6-7
“
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
”
Isaia 13:6-13
“
Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny. Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon'ny zanak'olombelona rehetra; Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny. Indro, avy ny andron'i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao. Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana. Ary hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan'ny mpampahory. Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza. Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny fahatezerany.
”
Isaia 25:8
“
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
”
Isaia 34:2-10
“
Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina. Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny. Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy. Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma. Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny. Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona. Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
”
Isaia 45:22-23
“
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe:
”
Isaia 46:10
“
Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
”
Isaia 52:8
“
Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
”
Isaia 65:17
“
Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
”
Isaia 66:22
“
Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
”
Jeremia 30:7
“
Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy.
”
Ezekiela 34:11-13
“
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy. Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito. Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
”
Ezekiela 37:12-13
“
Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo.
”
Daniela 2:28
“
kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
”
Daniela 2:31-35
“
Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra. Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
”
Daniela 2:36-39
“
Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny. Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany. Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
”
Daniela 2:40-43
“
Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
”
Daniela 2:44-45
“
Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
”
Daniela 7:2-8
“
Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe. Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina. Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy. Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be. Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy. Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo. Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
”
Daniela 7:9-10
“
Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
”
Daniela 7:11-12
“
Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy. Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
”
Daniela 7:13-14
“
Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
”
Daniela 7:17-18
“
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
”
Daniela 7:19-22
“
Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy, ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
”
Daniela 7:23-27
“
Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy. Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo. Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy. Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
”
Daniela 8:9-14
“
Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra. Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny. Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana. Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina. Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina.
”
Daniela 8:15-19
“
Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako. Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity. Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany. Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy. Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.
”
Daniela 8:23-26
“
Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina. Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona. Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
”
Daniela 9:24-27
“
Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra. Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory. Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava. Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava.
”
Daniela 10:14
“
Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
”
Daniela 11:27-28
“
Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany. Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy
”
Daniela 11:29-34
“
Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany; fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina. Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana. Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy. Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy. Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.
”
Daniela 11:35
“
Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.
”
Daniela 11:36-39
“
Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
”
Daniela 11:40-45
“
Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra. Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona. Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy. Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy. Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
”
Daniela 12:1-4
“
Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria. Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
”
Daniela 12:5-7
“
Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny. Ary hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo? Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
”
Daniela 12:8-10
“
Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo? Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany. Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
”
Daniela 12:11-13
“
Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany. Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.
”
Hosea 2:16
“
Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
”
Joela 2:1-11
“
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany, Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby. Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony. Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany. Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika; Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana; Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra. Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy. Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra. Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
”
Joela 2:28-29
“
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany.
”
Joela 2:30-32
“
Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy etỳ amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra. Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.
”
Joela 3:13-16
“
Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely.
”
Joela 3:17-21
“
Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony. Amin'izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak'i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak'i Sitima. Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak'i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin'ny taniny. Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin'ny taranaka fara mandimby.Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona. Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
”
Mika 4:1-4
“
Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
”
Zefania 1:14-18
“
Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito. Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony. Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany.
”
Zefania 3:8
“
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
”
Zefania 3:9
“
Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina.
”
Hagay 2:6-9
“
Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
”
Zakaria 14:1-3
“
Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao. Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna. Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin'ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.
”
Zakaria 14:4-8
“
Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. Dia handositra ho any amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony; fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava. Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.
”
Zakaria 14:9
“
Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
”
Zakaria 14:10-15
“
Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay. Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany. Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely. Ary ny Joda koa hamely an'i Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka. Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
”
Zakaria 14:16-19
“
Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy. Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. Izany no fampijaliana an'i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
”
Zakaria 14:20-21
“
Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro. Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro.
”
Malakia 3:2-3
“
Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
”
Evanjelin’i Matio 13:38-43
“
ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy; ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka, dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
”
Evanjelin’i Matio 13:47-50
“
Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
”
Evanjelin’i Matio 16:2-3
“
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra. Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
”
Evanjelin’i Matio 16:27-28
“
Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
”
Evanjelin’i Matio 19:28
“
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.
”
Evanjelin’i Matio 24:3-8
“
Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.
”
Evanjelin’i Matio 24:9-14
“
Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro. Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
”
Evanjelin’i Matio 24:15-22
“
Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany, dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo! Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
”
Evanjelin’i Matio 24:23-28
“
Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar; aza mino ianareo. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Indro, voalazako aminareo rahateo izany. Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.
”
Evanjelin’i Matio 24:29-31
“
Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
”
Evanjelin’i Matio 24:32-39
“
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany. Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
”
Evanjelin’i Matio 24:40-44
“
Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.
”
Evanjelin’i Matio 24:45-51
“
Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
”
Evanjelin’i Matio 25:1-13
“
Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
”
Evanjelin’i Matio 25:31-33
“
Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.
”
Evanjelin’i Matio 25:34-40
“
Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
”
Evanjelin’i Matio 25:41-46
“
Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
”
Evanjelin’i Matio 26:64
“
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
”
Evanjelin’i Marka 8:38
“
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.
”
Evanjelin’i Marka 9:1
“
Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
”
Evanjelin’i Marka 13:4-8
“
Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany? Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana.
”
Evanjelin’i Marka 13:9-13
“
Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
”
Evanjelin’i Marka 13:14-20
“
Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany. Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
”
Evanjelin’i Marka 13:21-23
“
Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino ianareo. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
”
Evanjelin’i Marka 13:24-27
“
Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.
”
Evanjelin’i Marka 13:28-37
“
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana. Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra
”
Evanjelin’i Marka 14:62
“
Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
”
Evanjelin’i Lioka 9:26-27
“
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina. Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Lioka 12:35-40
“
Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
”
Evanjelin’i Lioka 12:43-47
“
Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky. Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
”
Evanjelin’i Lioka 12:54-56
“
Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany. Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany. Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
”
Evanjelin’i Lioka 17:22-24
“
Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo. Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy. Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,
”
Evanjelin’i Lioka 17:25-30
“
Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity. Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.
”
Evanjelin’i Lioka 17:31-33
“
Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy. Tsarovy ny vadin'i Lota. Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
”
Evanjelin’i Lioka 17:34-37
“
Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery. Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.
”
Evanjelin’i Lioka 18:7-8
“
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
”
Evanjelin’i Lioka 21:10-11
“
Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
”
Evanjelin’i Lioka 21:12-19
“
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
”
Evanjelin’i Lioka 21:20-24
“
Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity. Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
”
Evanjelin’i Lioka 21:25-28
“
Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina. Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
”
Evanjelin’i Lioka 21:29-36
“
Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
”
Evanjelin’i Joany 5:25-29
“
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana.
”
Evanjelin’i Joany 14:2-3
“
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
”
Asan’ny Apostoly 1:9-11
“
Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 8:18-19
“
Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 14:11
“
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 16:20
“
Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 3:12-15
“
Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 4:5
“
koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 5:5-6
“
hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo. Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 15:50-52
“
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Filipiana 2:10-11
“
mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Kolosiana 3:4
“
Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 1:10
“
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 4:13-15
“
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 4:16-17
“
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 5:1-4
“
Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 5:9-10
“
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 1:4-10
“
ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny, amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 2:1-4
“
Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana 2:5-12
“
Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny. Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany. Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote 6:14-16
“
mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote 3:1-5
“
Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote 4:1-5
“
Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote 4:8
“
hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
”
Epistolan’i Paoly ho an’i Tito 2:13
“
miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 1:10-12
“
Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra".
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 9:23-28
“
Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny. Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika; ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany. Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena. dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 10:25
“
aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 11:35
“
Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
”
Epistola Jakoba 5:1-3
“
He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao. Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo.
”
Epistola Jakoba 5:7-8
“
Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
”
Epistola faharoan’i Piera 3:3-7
“
efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
”
Epistola faharoan’i Piera 3:8-9
“
Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra,
”
Epistola faharoan’i Piera 3:10-13
“
Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.
”
Epistola voalohan’i Joany 2:17-19
“
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
”
Epistola voalohan’i Joany 4:1-6
“
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.
”
Epistola faharoan’i Joany 1:7-11
“
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony.
”
Epistola Joda 1:14-15
“
Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
”
Apokalipsa 1:1
“
Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
”
Apokalipsa 1:7
“
Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
”
Apokalipsa 3:10-12
“
Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
”
Apokalipsa 3:15-19
“
Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao; fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
”
Apokalipsa 4:1
“
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
”
Apokalipsa 5:1-10
“
Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
”
Apokalipsa 5:11-14
“
Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
”
Apokalipsa 6:1-2
“
Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
”
Apokalipsa 6:3-4
“
Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia. Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
”
Apokalipsa 6:5-6
“
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran'ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao.
”
Apokalipsa 6:7-8
“
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany.
”
Apokalipsa 6:9-11
“
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
”
Apokalipsa 6:12-17
“
Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana. Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy. Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany. Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra; ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona? fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona?
”
Apokalipsa 7:1-3
“
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza. Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
”
Apokalipsa 7:4-8
“
Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra. Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
”
Apokalipsa 7:9-17
“
Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry. Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
”
Apokalipsa 8:1-6
“
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra. Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany. Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
”
Apokalipsa 8:7
“
Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
”
Apokalipsa 8:8-9
“
Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina; ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
”
Apokalipsa 8:10-11
“
Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany; ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
”
Apokalipsa 8:12-13
“
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka! Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
”
Apokalipsa 9:1-12
“
Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa. Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka. Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany. Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany. Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona. Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana. Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona. Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona. Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady. Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana. Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
”
Apokalipsa 9:13-21
“
Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho, nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe. Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona. Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho. Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany. Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona. Fa ny herin'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory. Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa. ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
”
Apokalipsa 10:1-7
“
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo, ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany; ary niantso tamin'ny feo mahery izy, tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito. Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana. Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony
”
Apokalipsa 10:8-11
“
Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany. Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely. Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro. Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
”
Apokalipsa 11:1-6
“
Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao. Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana. Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany. Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy. Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
”
Apokalipsa 11:7-10
“
Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny. Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
”
Apokalipsa 11:11-14
“
Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony. Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra. Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
”
Apokalipsa 11:15-19
“
Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy. Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
”
Apokalipsa 12:1-6
“
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany, sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka. Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany. Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka; ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
”
Apokalipsa 12:7-12
“
Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza. Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
”
Apokalipsa 12:13-17
“
Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy. Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy. Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry. Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
”
Apokalipsa 13:1-6
“
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia. Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy? Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana. Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
”
Apokalipsa 13:7-10
“
Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry. Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino. Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina.
”
Apokalipsa 13:11-15
“
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona. Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy. Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza. Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany. Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.
”
Apokalipsa 13:16-18
“
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
”
Apokalipsa 14:1-5
“
Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany. Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany. Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
”
Apokalipsa 14:6-8
“
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
”
Apokalipsa 14:9-12
“
Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
”
Apokalipsa 14:13
“
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
”
Apokalipsa 14:14-16
“
Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany. Dia naroson'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
”
Apokalipsa 14:17-20
“
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony. Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra.Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio. Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
”
Apokalipsa 15:1
“
Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
”
Apokalipsa 15:2-4
“
Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
”
Apokalipsa 15:5-8
“
Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra; ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito. Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
”
Apokalipsa 16:1
“
Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
”
Apokalipsa 16:2
“
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
”
Apokalipsa 16:3
“
Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
”
Apokalipsa 16:4-7
“
Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
”
Apokalipsa 16:8-9
“
Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy. Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
”
Apokalipsa 16:10-11
“
Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana, dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.
”
Apokalipsa 16:12
“
Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
”
Apokalipsa 16:13-16
“
Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha. Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
”
Apokalipsa 16:17-21
“
Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany. Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
”
Apokalipsa 17:1-7
“
Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro, dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany. Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany; ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY. Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
”
Apokalipsa 17:8-13
“
Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray. Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy. Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely. Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana. Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy. Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.
”
Apokalipsa 17:14-18
“
Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky. Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny. Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo. Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany. Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
”
Apokalipsa 18:1-3
“
Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny. Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
”
Apokalipsa 18:4-8
“
Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy. Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho; koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
”
Apokalipsa 18:9-22
“
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy; eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao. Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany: dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga, sy havozomamy sy zavatra mani-pofona sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona. Ary ny vokatra soa nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo. Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila! Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny, ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany? Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany. Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo. Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy. Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
”
Apokalipsa 18:23-24
“
ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany. Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
”
Apokalipsa 19:1-6
“
Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika; Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay. Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia! Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe. Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
”
Apokalipsa 19:7-10
“
Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina. Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra. Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
”
Apokalipsa 19:11-16
“
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra. Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
”
Apokalipsa 19:17-18
“
Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra, mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
”
Apokalipsa 19:19-21
“
Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany. Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.
”
Apokalipsa 20:1-3
“
Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy ka namatotra ary arivo taona, dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
”
Apokalipsa 20:4-6
“
Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
”
Apokalipsa 20:7-9
“
Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
”
Apokalipsa 20:10
“
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
”
Apokalipsa 20:11-15
“
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
”
Apokalipsa 21:1-2
“
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
”
Apokalipsa 21:3-9
“
Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. Ary tonga ny anankiray tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry.
”
Apokalipsa 21:10-21
“
Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra, sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly; ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'isiraely; eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany. Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo ametysta. Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
”
Apokalipsa 21:22-27
“
Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny. Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy. Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny. Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro. Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
”
Apokalipsa 22:12
“
Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
”