32 – Maritiora
Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Maritiora.
Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Maritiora.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay. Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
”Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho. Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
”Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
”Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah; fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny; fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy. Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
”Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho. Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy, Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ. Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
”Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
”Aza mamono olona.
”Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
”Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.
”ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
”Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
”Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
”Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.
”Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
”Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i JehovahTamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
”Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
”Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra; Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
”Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
”Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
”Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
”Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao.Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay. Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
”Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
”Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
”Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako? Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
”Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
”Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy. Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny. Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana. Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
”Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
”Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
”Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
”Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
”Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra. Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.
”Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina. Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako. Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
”Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa. Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
”Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho. Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
”Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany. Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
”Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
”Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
”Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao, Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana. Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
”Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
”Aoka ny olona masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
”Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
”Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
”Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
”Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
”Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
”Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.
”Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora. Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
”Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
”Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota.
”Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
”Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo. Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
”Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
”Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
”Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.
”Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao. Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako? Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
”Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
”Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego. Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
”Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
”Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany. Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny. Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana. Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy. Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro. Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
”Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela. Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona. Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va? Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao. Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
”Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
”Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
”Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy.
”Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.
”Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
”Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
”Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
”Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo; ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa. Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
”Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy. Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.
”Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
”Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
”Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
”Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
”Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
”Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
”ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany. Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny. Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy. Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona. Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda. Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona. Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa. Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany. Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy. Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny. Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.
”Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
”Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
”Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?
”Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
”Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy. Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra. Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny. Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
”Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,- mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.
”Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
”Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
”Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
”Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
”Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
”Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
”Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
”Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy. Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
”Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.
”Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany. Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
”Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
”Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
”Ary nahare izany Heroda mpanjaka, dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo. Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany. Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy. Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy. Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao. Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo. Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy. Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany, ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao. Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza. Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa. Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa. Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy. Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany. Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny. Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
”Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
”Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
”Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
”ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa; ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
”Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy. Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka. Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina. Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy. Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty. Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova. Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.
”Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
”Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
”Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
”Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
”Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy. Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
”Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
”Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.
”Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana.
”Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
”Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
”Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona. Mifalia ianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.
”Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
”Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
”Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty; ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana. Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
”ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
”Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
”Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy. Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany. Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny, mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.
”Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.
”Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
”Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
”Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
”Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
”Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
”Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy. Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina. Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina. Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny. Dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy. Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova. Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin'izany?
”fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
”Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
”Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
”Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
”Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;
”Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.
”Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy. Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
”Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.
”Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
”Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
”Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
”dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
”Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.
”Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana.
”Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
”Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
”Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
”Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
”dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
”Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
”Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
”Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona,
”Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay. Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
”Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
”Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
”Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
”Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho. Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
”Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
”Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
”Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao.
”Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesosy ka nokapohiny. Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy, dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy.
”Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
”Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
”Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay. Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy; ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
”Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
”Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
”Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
”Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna; fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
”dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
”Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
”Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
”Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa. Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo, dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany. Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra.
”Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
”Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra. Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
”Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy; Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany.
”Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy. Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
”Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy; nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
”sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
”Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana. Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra. Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
”Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony, ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy,
”nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
”lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
”Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy. Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
”ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
”Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
”Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo. Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
”Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
”Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
”Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra; ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
”Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly. Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany. Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly. Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
”Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta, sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza.
”Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
”ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
”Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
”Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy. Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
”Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
”Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
”Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
”Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
”Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
”Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
”Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
”Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay. Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
”Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy?. Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala.) Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
”Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina..
”Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
”Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah. Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
”Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao; fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
”Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy.
”fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao; ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy,
”Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
”Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.
”Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay; Ary misasatra miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
”Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
”Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
”Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
”Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
”Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
”Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho.
”Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
”Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana; afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery; afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
”Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona. Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?.
”Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay. Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy. Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay. Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
”Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany. Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
”Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
”Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
”Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin'ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa; fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. Fa isika izao amin'izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty. Ary Izay efa namboatra antsika ho amin'izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
”Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin'ny tena, dia tsy mitoetra any amin'ny Tompo ; eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny Tompo. Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
”Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
”Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
”fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina, amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia, amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany; tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty; tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
”Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika. Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra.
”fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.
”Mpanompon'i Kristy va izy? mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
”Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko. Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
”Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
”Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
”Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
”Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.
”Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
”Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.
”Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
”Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany. Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray
”Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
”ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
”Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra; ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
”araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
”Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko; fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
”ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra. Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
”ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
”Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
”fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
”Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
”Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana; eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
”Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
”Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
”Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
”Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana,
”Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo. Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
”satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,
”Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
”izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
”mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika. Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
”Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
”Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
”Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
”ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny, amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
”ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
”Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
”Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.
”Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
”Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
”Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
”Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
”Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
”nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
”Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
”Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
”Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
”Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
”Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo; indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany. Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra. Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
”Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy. Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy. Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany. Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.
”nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
”Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany, izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa. Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa; notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
”Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
”mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.
”Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
”Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
”Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
”Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
”ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
”Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa, ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
”Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany"; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina;
”Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
”Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
”Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
”Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
”Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
”Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
”Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo. Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
”tsy mba tahaka an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.
”Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo. Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
”Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
”Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
”Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
”dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.
”Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra.
”Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
”Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa.
”Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
”Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
”Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
”Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
”Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
”Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
”Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
”Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
”Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
”Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
”Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
”Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
”Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
”Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia. Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
”Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
”Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
”ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany. Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
”Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra. Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
”Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
”Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta.
”Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
”Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany. Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
”