Andininy tsirairay amin'ny filaharan'ny kanonika - andininy 263
Genesisy 1:1-3
“
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
”
Genesisy 2:7
“
Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
”
Genesisy 41:15-16
“
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.
”
Eksodosy 3:2-5
“
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy. Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.
”
Eksodosy 4:2-5
“
Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
”
Eksodosy 4:6-9
“
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala. Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao. Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy. Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
”
Eksodosy 4:30-31
“
Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka. Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
”
Eksodosy 7:3
“
Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
”
Eksodosy 7:9-12
“
Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny. Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany. Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.
”
Eksodosy 7:20-23
“
Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah. Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
”
Eksodosy 8:1-7
“
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona; dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao.Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona. Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin'ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta. Ary nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta. Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.
”
Eksodosy 8:16-19
“
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany. Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra. Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy. Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
”
Eksodosy 8:20-24
“
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa. Fa havahako amin'izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany. Dia hasiako fiavahana amin'ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian'izany famantarana izany. Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.
”
Eksodosy 9:1-7
“
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany, dia, indro, ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra. Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza. Dia nanendry fotoan'andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany zavatra izany eto amin'ny tany. Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza. Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
”
Eksodosy 9:8-12
“
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany. Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny tany Egypta rehetra. Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy. Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra. Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
”
Eksodosy 9:22-27
“
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta. Dia nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta. Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy. Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny. Fa tao amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra. Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
”
Eksodosy 10:12-16
“
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra. Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha. Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
”
Eksodosy 10:21-23
“
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana, koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
”
Eksodosy 12:29-33
“
Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo. Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho. Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
”
Eksodosy 14:19-29
“
Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana. Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
”
Eksodosy 15:26
“
ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.[Ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao Elima, sy ny nimonomononany tany an-efitr'i Sinay noho ny tsi-fisian-kanina, ary ny nanomezan'Andriamanitra azy mana sy papelika hohaniny. Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.
”
Nomery 12:6
“
Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
”
Nomery 14:22
“
ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
”
Deotoronomia 4:11-13
“
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito. Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo. Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
”
Deotoronomia 4:33-34
“
Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany? Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
”
Deotoronomia 6:22
“
Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
”
Deotoronomia 7:15
“
Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
”
Deotoronomia 7:19
“
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
”
Deotoronomia 8:3-4
“
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona. Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
”
Deotoronomia 34:10-12
“
Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetraary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra. ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.
”
Josoa 3:14-17
“
Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona, ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony, dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana. Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
”
Josoa 6:15-20
“
Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy. Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna. Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy. Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy. Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany. Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
”
Josoa 10:12-13
“
Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona. Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
”
Mpitsara 14:5-6
“
Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
”
Mpitsara 16:29-30
“
Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy. Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
”
1 Samoela 5:2-4
“
Ary nony efa azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona izy ka napetrany teo anilany. Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray. Ary nony ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
”
1 Samoela 5:6-12
“
Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra. Ary rehefa hitan'ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika ny tànany. Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy. Ary dia naterin'ny olona nankany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran'ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika. Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan'Andriamanitra.Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra. Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
”
1 Samoela 6:19-20
“
Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty. Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.
”
1 Samoela 17:34-37
“
Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry, dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko. Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy. Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
”
1 Samoela 17:45-51
“
Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
”
2 Samoela 6:6-7
“
Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara. Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
”
1 Mpanjaka 17:1
“
Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
”
1 Mpanjaka 17:12-16
“
Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany. Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.
”
1 Mpanjaka 17:17-24
“
Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy. Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako? Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity. Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy. Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao. Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.
”
1 Mpanjaka 18:32-39
“
ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan'ny famarana. Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo, dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa. Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely. Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely. Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
”
2 Mpanjaka 2:8
“
Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy.
”
2 Mpanjaka 2:11-14
“
Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra. Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa. Ary nalainy ny kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana. Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
”
2 Mpanjaka 2:23-24
“
Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola! Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
”
2 Mpanjaka 4:2-7
“
Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja. Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy. Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno. Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo. Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo. Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
”
2 Mpanjaka 4:32-35
“
Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah. Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy. Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
”
2 Mpanjaka 4:40-44
“
Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina. Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany. Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny. Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah. Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.
”
2 Mpanjaka 5:10-14
“
Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao. Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka. Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana. Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao? Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
”
2 Mpanjaka 6:5-7
“
Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny. Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky. Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
”
2 Mpanjaka 6:8-12
“
Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza. Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely? Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.
”
2 Mpanjaka 6:15-20
“
Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika? Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa. Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa. Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo. Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
”
2 Mpanjaka 13:21
“
Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
”
2 Mpanjaka 20:9-11
“
Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo? Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo. Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
”
2 Tantara 16:12
“
Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
”
2 Tantara 26:16-20
“
Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin'i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa. Ary nanohitra an'i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah, fa an'ny mpisorona ihany, dia ny taranak'i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin'ny fitoerana masina, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitra izany. Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
”
Nehemia 9:10
“
dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao.
”
Joba 5:8-9
“
Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko, Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
”
Joba 13:4
“
Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
”
Salamo 30:2
“
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
”
Salamo 41:3-4
“
Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
”
Salamo 77:14
“
Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
”
Salamo 103:3-5
“
Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.
”
Salamo 147:3
“
Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
”
Isaia 7:14
“
Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
”
Isaia 53:5
“
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
”
Jeremia 30:17
“
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
”
Jeremia 32:20-21
“
dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao. Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
”
Ezekiela 37:1-10
“
Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
”
Daniela 2:26-30
“
Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao? Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka; kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao: Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy. Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
”
Daniela 3:19-30
“
Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego. Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
”
Daniela 4:1-3
“
Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby. Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
”
Daniela 5:5-6
“
Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra. Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
”
Daniela 6:16-24
“
Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela. Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona. Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va? Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao. Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny. Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.
”
Daniela 6:25-27
“
Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona.Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.
”
Joela 2:28-31
“
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy etỳ amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.
”
Evanjelin’i Matio 4:23-24
“
Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona. Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.
”
Evanjelin’i Matio 8:2-3
“
Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy.
”
Evanjelin’i Matio 8:14-15
“
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo. Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
”
Evanjelin’i Matio 8:16-17
“
Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.
”
Evanjelin’i Matio 8:24-27
“
Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory. Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay! Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
”
Evanjelin’i Matio 8:28-34
“
Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany. Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana? Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny. Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo. Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano. Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny. Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.
”
Evanjelin’i Matio 9:2-8
“
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao. Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity. Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony. Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
”
Evanjelin’i Matio 9:20-22
“
Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho. Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay. Na: namonjy.
”
Evanjelin’i Matio 9:23-26
“
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba, dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy. Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
”
Evanjelin’i Matio 9:27-31
“
Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô! Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao. Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
”
Evanjelin’i Matio 9:32-33
“
Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy. Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
”
Evanjelin’i Matio 9:35
“
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
”
Evanjelin’i Matio 10:1
“
Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
”
Evanjelin’i Matio 10:8
“
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
”
Evanjelin’i Matio 11:5
“
Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
”
Evanjelin’i Matio 12:10-13
“
ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy. Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
”
Evanjelin’i Matio 12:15
“
Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
”
Evanjelin’i Matio 12:22-23
“
Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
”
Evanjelin’i Matio 12:28
“
Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Matio 13:58
“
Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.
”
Evanjelin’i Matio 14:14
“
Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
”
Evanjelin’i Matio 14:15-21
“
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy. Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa. Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany. Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka. Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo. Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
”
Evanjelin’i Matio 14:25-27
“
Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina. Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra. Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
”
Evanjelin’i Matio 14:28-33
“
Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho. Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.
”
Evanjelin’i Matio 14:35-36
“
Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa. Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
”
Evanjelin’i Matio 15:22-28
“
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra. Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.
”
Evanjelin’i Matio 15:30-31
“
ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy; ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
”
Evanjelin’i Matio 15:32-38
“
Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy. Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao! Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana. Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany. Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka. Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito. Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.
”
Evanjelin’i Matio 17:2
“
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
”
Evanjelin’i Matio 17:14-18
“
Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy. Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy. Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.
”
Evanjelin’i Matio 17:19-20
“
Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
”
Evanjelin’i Matio 17:27
“
Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
”
Evanjelin’i Matio 18:18-20
“
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
”
Evanjelin’i Matio 19:26
“
Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
”
Evanjelin’i Matio 20:30-34
“
Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô! Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô! Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo? Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy. Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.
”
Evanjelin’i Matio 21:14
“
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
”
Evanjelin’i Matio 21:19-22
“
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy. Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
”
Evanjelin’i Matio 28:2
“
Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
”
Evanjelin’i Matio 28:6-7
“
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo. Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
”
Evanjelin’i Matio 28:18
“
Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
”
Evanjelin’i Marka 1:23-28
“
Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.
”
Evanjelin’i Marka 1:29-31
“
Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona. Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo. Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
”
Evanjelin’i Marka 1:32-34
“
Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka. Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa. Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
”
Evanjelin’i Marka 1:39
“
Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
”
Evanjelin’i Marka 1:40-45
“
Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny. Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
”
Evanjelin’i Marka 2:3-12
“
Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
”
Evanjelin’i Marka 3:1-5
“
Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo. Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy. Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany. Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona. Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
”
Evanjelin’i Marka 3:10-12
“
Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina. Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
”
Evanjelin’i Marka 3:14-15
“
Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
”
Evanjelin’i Marka 4:37-41
“
Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy? Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
”
Evanjelin’i Marka 5:2-17
“
Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy, fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza. Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato. Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra. Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy. Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy. Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa. Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.
”
Evanjelin’i Marka 5:25-34
“
Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho. Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany. Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.
”
Evanjelin’i Marka 5:35-42
“
Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy. Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
”
Evanjelin’i Marka 6:2
“
Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?
”
Evanjelin’i Marka 6:5
“
Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
”
Evanjelin’i Marka 6:7
“
Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
”
Evanjelin’i Marka 6:13
“
Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
”
Evanjelin’i Marka 6:35-44
“
Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny; ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy. Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny? Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa. Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy. Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona. Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra. Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky. Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo. Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
”
Evanjelin’i Marka 6:48-51
“
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy. Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra. Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
”
Evanjelin’i Marka 6:54-56
“
Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy. Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.
”
Evanjelin’i Marka 7:24-30
“
Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy, dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony. Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy. Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany. Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia. Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
”
Evanjelin’i Marka 7:32-37
“
Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana. Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany; ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy. Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana. Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
”
Evanjelin’i Marka 8:1-9
“
Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe: Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy; koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany. Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto! Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito. Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany. Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa. Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky. Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
”
Evanjelin’i Marka 8:22-25
“
Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba. Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao? Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
”
Evanjelin’i Marka 9:2-3
“
Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
”
Evanjelin’i Marka 9:17-27
“
Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy. Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. Ary niaraka tamin'izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.. Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
”
Evanjelin’i Marka 10:27
“
Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Marka 10:46-52
“
Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo. Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko! Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy. Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
”
Evanjelin’i Marka 11:22-24
“
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany. Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
”
Evanjelin’i Marka 16:6
“
Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
”
Evanjelin’i Lioka 1:37
“
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Lioka 4:33-37
“
Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
”
Evanjelin’i Lioka 4:38-39
“
Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy. Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
”
Evanjelin’i Lioka 4:40-41
“
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
”
Evanjelin’i Lioka 5:4-9
“
Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.
”
Evanjelin’i Lioka 5:12-15
“
Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay. Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.
”
Evanjelin’i Lioka 5:17-26
“
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy. Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany? Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra. Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
”
Evanjelin’i Lioka 6:6-10
“
Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao. Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy. Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro. Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina? Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
”
Evanjelin’i Lioka 6:17-19
“
Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny; ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina. Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
”
Evanjelin’i Lioka 7:2-10
“
Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty. Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy, satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika. Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho. Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy. Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza. Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
”
Evanjelin’i Lioka 7:12-17
“
Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy. Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny. Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony. Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.
”
Evanjelin’i Lioka 7:21-22
“
Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
”
Evanjelin’i Lioka 8:2
“
mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,
”
Evanjelin’i Lioka 8:22-25
“
Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy. Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
”
Evanjelin’i Lioka 8:27-37
“
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana. Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy. Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy. Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny. Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa. Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny. Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany. Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo. Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka. Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
”
Evanjelin’i Lioka 8:43-48
“
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory. Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny. Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao. Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko. Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay. Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
”
Evanjelin’i Lioka 8:49-56
“
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra. Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy. Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy. Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy. Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena. Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao. Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.
”
Evanjelin’i Lioka 9:1-2
“
Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
”
Evanjelin’i Lioka 9:6
“
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
”
Evanjelin’i Lioka 9:11
“
Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
”
Evanjelin’i Lioka 9:12-17
“
Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika. Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo. Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy. Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy. Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
”
Evanjelin’i Lioka 9:29
“
Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
”
Evanjelin’i Lioka 9:38-43
“
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy. Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy. Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany. Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao. Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy. Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
”
Evanjelin’i Lioka 10:8-9
“
Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Lioka 10:19-20
“
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
”
Evanjelin’i Lioka 11:14
“
Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
”
Evanjelin’i Lioka 13:10-17
“
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao. Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra. Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata. Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va? Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
”
Evanjelin’i Lioka 13:32
“
Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
”
Evanjelin’i Lioka 14:2-4
“
Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany. Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia? Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
”
Evanjelin’i Lioka 17:5-6
“
Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
”
Evanjelin’i Lioka 17:12-19
“
Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
”
Evanjelin’i Lioka 18:27
“
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Lioka 18:35-43
“
Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany? Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo. Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko. Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra. Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.
”
Evanjelin’i Lioka 22:50-51
“
Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana. Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
”
Evanjelin’i Lioka 24:6
“
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
”
Evanjelin’i Joany 2:3-11
“
Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany, dia niantso ny mpampakatra izy ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
”
Evanjelin’i Joany 2:23
“
Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
”
Evanjelin’i Joany 3:2
“
Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
”
Evanjelin’i Joany 4:46-53
“
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
”
Evanjelin’i Joany 5:2-9
“
Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy. Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila. Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona. Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao? Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako. Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana. Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
”
Evanjelin’i Joany 6:2
“
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
”
Evanjelin’i Joany 6:5-14
“
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo? Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony. Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy. Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe: Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao? Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany. Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very. Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana. Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
”
Evanjelin’i Joany 6:19-21
“
Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra. Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
”
Evanjelin’i Joany 8:59
“
Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly.
”
Evanjelin’i Joany 9:1-8
“
Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba. Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama. Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
”
Evanjelin’i Joany 9:32-33
“
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
”
Evanjelin’i Joany 11:39-44
“
Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra? Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
”
Evanjelin’i Joany 11:47
“
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
”
Evanjelin’i Joany 12:37
“
Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
”
Evanjelin’i Joany 14:11-12
“
Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
”
Evanjelin’i Joany 14:13-14
“
Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
”
Evanjelin’i Joany 15:7
“
Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
”
Evanjelin’i Joany 20:19-20
“
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
”
Evanjelin’i Joany 20:25-28
“
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho. Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
”
Evanjelin’i Joany 20:30
“
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.
”
Evanjelin’i Joany 21:3-11
“
Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy. Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany. Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano. Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany, ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy. Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany. Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo. Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
”
Evanjelin’i Joany 21:20-23
“
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity? Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
”
Evanjelin’i Joany 21:25
“
Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.
”
Asan’ny Apostoly 1:3
“
sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
”
Asan’ny Apostoly 1:8-9
“
Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
”
Asan’ny Apostoly 2:2-6
“
Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
”
Asan’ny Apostoly 2:17-20
“
Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
”
Asan’ny Apostoly 2:22
“
Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
”
Asan’ny Apostoly 2:43
“
Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
”
Asan’ny Apostoly 3:2-11
“
Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra. Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
”
Asan’ny Apostoly 3:12
“
Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
”
Asan’ny Apostoly 3:16
“
Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
”
Asan’ny Apostoly 4:13-16
“
Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy. Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny. Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
”
Asan’ny Apostoly 4:29-31
“
Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
”
Asan’ny Apostoly 5:1-11
“
Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny. Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
”
Asan’ny Apostoly 5:12-16
“
Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona; ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
”
Asan’ny Apostoly 5:19-25
“
Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe: Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe: Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay. Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany. Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
”
Asan’ny Apostoly 6:8
“
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
”
Asan’ny Apostoly 6:15
“
Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely.]
”
Asan’ny Apostoly 7:30
“
Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
”
Asan’ny Apostoly 7:36
“
Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
”
Asan’ny Apostoly 8:6-8
“
Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
”
Asan’ny Apostoly 8:13
“
Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
”
Asan’ny Apostoly 8:39-40
“
Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria. Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
”
Asan’ny Apostoly 9:3-9
“
Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
”
Asan’ny Apostoly 9:17-18
“
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
”
Asan’ny Apostoly 9:33-35
“
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa. Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
”
Asan’ny Apostoly 9:37-42
“
Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony. Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay. Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony. Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina. Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona. Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
”
Asan’ny Apostoly 10:38
“
Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
”
Asan’ny Apostoly 12:4-11
“
Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy. Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana. Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra. Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy. Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy. Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely. Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.
”
Asan’ny Apostoly 13:8-12
“
Fa Elyma, mpanao ody, nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy. Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
”
Asan’ny Apostoly 14:3
“
Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany
”
Asan’ny Apostoly 14:8-10
“
Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra; izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
”
Asan’ny Apostoly 15:12
“
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
”
Asan’ny Apostoly 16:25-27
“
Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
”
Asan’ny Apostoly 19:11-12
“
Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
”
Asan’ny Apostoly 20:9-12
“
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty. Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy. Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha. Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
”
Asan’ny Apostoly 28:3-6
“
Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany. Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona. Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza. Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
”
Asan’ny Apostoly 28:7-9
“
Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana. Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy. Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 10:17
“
Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 15:19
“
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 1:22-24
“
fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa, fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 2:1-5
“
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana; ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 12:7-11
“
Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 12:28-31
“
Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra? Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo: Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 13:1-2
“
Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 14:1-6
“
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana. Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana. Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana fampandrosoana. Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 14:22-25
“
Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino. Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo? Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra; ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
”
Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 14:39
“
Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
”
Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana 12:12
“
Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Efeziana 3:20
“
Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 2:4
“
sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 11:1
“
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
”
Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 11:6
“
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
”
Epistola Jakoba 1:6
“
Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
”
Epistola Jakoba 5:14-16
“
Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
”
Epistola Jakoba 5:17-18
“
Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
”
Apokalipsa 1:12-16
“
Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito; ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
”
Apokalipsa 21:1-2
“
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
”