04 – Famoronana

Izany no teny masin'Andriamanitra Tsitoha.
Tsy liana amin'ny tenin'olombelona isika.
Ho an'izay rehetra tia an'Andriamanitra... Izao no lazain'Andriamanitra momba izany: Famoronana.

Andininy 3 manan-danja indrindra

Genesisy 1:1

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 15:38-39

fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy. Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 1:20

Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;

Andininy tsirairay amin'ny filaharan'ny kanonika - andininy 104

Genesisy 1:1-5

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.

Genesisy 1:6-8

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy. Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.

Genesisy 1:9-13

Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany. Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.

Genesisy 1:14-19

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo. Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana. Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany, sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.

Genesisy 1:20-23

Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra. Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany. Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.

Genesisy 1:24-25

Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

Genesisy 1:26-31

Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany. Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

Genesisy 2:1-3

Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.

Genesisy 2:4-8

Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.

Genesisy 5:1-3

Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy. Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.

Eksodosy 20:11

Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Eksodosy 31:17

Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.

Nomery 14:21

Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,

Deotoronomia 4:32

Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.

Deotoronomia 10:14

Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.

1 Samoela 2:8

Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.

2 Samoela 22:16

Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.

2 Mpanjaka 19:15

Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

1 Tantara 29:11

Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.

Nehemia 9:6

Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.

Joba 9:6-10

Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny; Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana; Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina; Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo, Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.

Joba 12:7-10

Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; Ary makà saina amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao. Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah, Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?

Joba 26:7-11

Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy. Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra. Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy. Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina. Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.

Joba 33:4

Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.

Joba 38:1-11

Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe: Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana? Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?

Joba 40:15-17

He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy. Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany. Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny

Salamo 8:3

Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,

Salamo 18:15

Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.

Salamo 19:1

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.

Salamo 19:4

Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;

Salamo 24:1-2

Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.

Salamo 33:6

Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.

Salamo 89:11-12

Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.

Salamo 90:2

Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.

Salamo 95:5-6

Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany. Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;

Salamo 102:25-26

Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;

Salamo 104:1-5

Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay, Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra, Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony. Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.

Salamo 104:24-25

Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.

Salamo 111:2

Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.

Salamo 115:15-16

Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.

Salamo 118:24

Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.

Salamo 121:2

Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Salamo 124:8

Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Salamo 135:6

Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.

Salamo 136:5-9

Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena, Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano,, Izay nanao ireo fanazavana lehibe, Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro, Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina,

Salamo 139:13-14

Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.

Salamo 146:6

Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,

Salamo 147:4

Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.

Ohabolana 3:19

Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

Ohabolana 8:22-31

Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha. Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao. Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy, Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina, Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany, Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.

Ohabolana 20:12

Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.

Isaia 6:3

Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.

Isaia 11:9

Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.

Isaia 29:16

Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?

Isaia 37:16

Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

Isaia 40:12

Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana?

Isaia 40:21-22

Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany? Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;

Isaia 40:26

Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.

Isaia 40:28

Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.

Isaia 42:5

Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:

Isaia 43:7

Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.

Isaia 44:24

Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;

Isaia 45:11-12

Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.

Isaia 45:18

Fa izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra sady namorona ny tany sy nahavita azy: Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.

Isaia 48:12-13

Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.

Isaia 51:13

ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?

Isaia 64:8

Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.

Isaia 66:1-2

Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako? Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.

Jeremia 10:10-12

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.

Jeremia 27:5

Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.

Jeremia 32:17

Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.

Jeremia 51:15

Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.

Amosa 5:8

Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,

Amosa 9:6

Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.

Jona 1:9

Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.

Habakoka 2:14

Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.

Zakaria 12:1

Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:

Evanjelin’i Marka 10:6

fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.

Evanjelin’i Lioka 3:38

zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.

Evanjelin’i Joany 1:1-3

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

Evanjelin’i Joany 1:10

Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

Evanjelin’i Joany 2:9-10

Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany, dia niantso ny mpampakatra izy ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.

Asan’ny Apostoly 7:49

Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?

Asan’ny Apostoly 14:15

Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,

Asan’ny Apostoly 17:24-28

dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 1:20

Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 4:17

araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 5:12

Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 8:19-22

Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana 11:36

Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 8:6

nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 15:38-39

fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy. Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.

Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana 15:45-48

Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina; Adama farany natao fanahy mahavelona. Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy. Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.

Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana 4:6

Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.

Epistolan’i Paoly ho an’ny Efeziana 3:9

ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;

Epistolan’i Paoly ho an’ny Kolosiana 1:15-17

Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.

Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 1:2-3

dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo

Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 1:10

Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra;

Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 3:4

Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.

Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo 11:3

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.

Epistola faharoan’i Piera 3:3-8

efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.

Apokalipsa 4:11

Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.

Apokalipsa 10:6

ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;

Apokalipsa 14:6-7

Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.

Malagasy - Malagasy - MG

MG'65 - Ny Baiboly Malagasy - 1865

Distribution License Public Domain
https://www.crosswire.org/sword/modules/ModInfo.jsp?modName=Mg1865
Languages are made available to you by www.ipedge.net